Fampianarana

Minisitra Assoumacou Béatrice “Aleo hiatrika fanadinana am-pitoniana ny mpianatra”


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Anio, 19 oktobra, no hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea ireo mpiadina miiisa 164 338 manerana ny nosy.

 

 Manoloana izany, miantso ny olom-pirenena rehetra mba hamela ny mpianatra hiatrika ny fanadinana ampitoniana. Izany no antoka hananan'ny mpiadina fifantohana amin'izany fanadinana hatrehiny izany, hoy Pr Assoumacou Elia Béatrice, mininistry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa. Misaotra sy midera ny ezaka nataon'ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana izy amin` ny fitsinjovana hatrany ny hoavin'ireo zanatsika. "Tsy ho tombotsoan'iza na iza ny fanakorontana ny mpianatra hanala fanadinana fa fanapotehana ny hoaviny. Aleo hiatrika am-pitoniana ny fanadinana ny mpianatra mba hananan'ny firenena olona vanona sy vonona any aoriana, mba tsy ho raraka an-tany ihany koa ny ezaka nataon'ireo mpianatra nandritra ny taona maro, indrindra ny tamin'ity taona ity izay sarotra tokoa noho ny fiatrehana ny covid-19”. Manameloka tanteraka ny fanakorontanana amin'ny endriny maro samihafa ny fanadinana bakalorea ny ministry, araka ny fanambarana nataony. Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT