Fampianarana

Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena 8 miliara ariary nividiana bonbons sucettes ?


  • Zoma 29 Mey 2020

Mivoaka ny dosie sy ny resaka momba ny fandaniana tao amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa tarihin’ny Minisitra Rijasoa Andriamanana Josoa.

 

 

 Mandeha ny resaka fa nandany volabe 8 400 000 000 nividianana bonbons sucettes ho an’ny mpianatra ho an’ny Minisitera iantsorohany izay efa vita na “engagement effectué”, izany hoe efa nisy ny famoaham-bola sy fanatanterahana ny zavatra voafaritra, raha ny loharanom-baovao. 2 338 854 000 kosa ny fandaniana ho amina « cantines scolaires » andiany faharoa 2019-2020 ho an’Analamanga, 444 996 444 ho an’Antsinanana, 527 414 040 ho an’i Vakinankaratra, 227 854 440 ho an’Androy no mbola eo am-pikirakirana na “engagement en instance”. 17 588 425 000 ny vola misy ary 5 649 306 076 ny vola ambiny, raha tanteraka ireo, araka loharanom-baovao hatrany. Andrasana anefa izay mety ho fanazavana na fandisoana avy amin’io minisitra io sy ny ekipany. Nisy ny fangatahana natao tamin’ny CCO Covid-19 nentina hanaovana fanentanana sy fisorohana eny amin’ny sekoly amin’ny fizarana “kits de preventions” amin’ireo sekoly eto Madagasikara, ka hahafana mamoaka vola amin’ireo ambara fa zavatra ilaina tamin’ny alalan’ny SOA (Service Operationnel d’Activités 00-81-0-200-0000 comptes 6114 “Produits, petits materiels, entretien ; 6125 “Produit alimentaires”, ary ny 6122 “Consommables médicaux” izay efa misy ny andininy mahakasika an’ireo raha halalinina. Izany rehetra izany ve no mety ho antony tsy nisian’ny fanapahan-kevitra na toromarika mazava momba ny fampianarana satria mbola misy asa sy fanentanana natao? Misy resaka re ihany koa fa hatrany amin’ny 100 000 000 Ar ny fandaniana amina solika tao amin’ity ministera ity; ankoatr’izay misy resaka manomboka mivoaka ihany koa mikasika ny tambin-karaman'ireo mpanolontsaina teknika tamin'ny kabinetran'ny minisitra teo aloha, izay mbola tsisy didim-panjakana nanala azy ireo hatreto aloha. Tsy sanatria natao hanenjena na hanasoketana olona ambony sy mpitondra, fa ny ahiahy tsy hihavanana, ka andrasana izay mety ho fanadihadiana na fanazavan’ny fanjakana manoloana ny resaka mampiahiahy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT