Fampianarana

Minisiteran’ny fanabeazana sy ny Vivo Energy Hiara-hiasa amina tetika 3 lehibe


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Nanatanteraka fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamina mpiara-miombon’antoka maromaro, tetsy amin’ny trano boribory Anosy omaly alakamisy 10 oktobra 2019, ny Menetp “Ministère de l’Education Nationale et de l’Enseignement Technique et Professionnel”

 

 

 

 

 na ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nosoloan-dRtoa minisitra Marie Thérese Volahaingo tena ka anisan’izany ny Vivo Energy Madagascar nosoloin’ny tale jeneraliny, Mondher Bouhouchera tena. Niompana tamin’ny lafin-javatra 3 mazava izany fiaraha-miasan’ny roa tonta izany dia ao voalohany ny hanatsarana ny trano famakiam-bokin’ny CEG Ambohipo sy fampitaovana ordinatera an’izany toerana izany mba hahazoan’ireo mpianatra manitatra ny fikarohana ataony. Ny faharoa dia ny fanatsarana ny sehatra maitso sy ny fanokafana “club vert” ao amin’ny Epp Ambohipo mba hahafahana mametraka ny “jardin pédagogique” ao amin’ity sekoly ity ary fahatelo dia ny fanentanana aro-lozan’ny fifamoivoizana ny mpianatra ao amin’ny Epp miisa 20 amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny (Ambohimangakely-Moramanga). Anisan’ny hampianarina azy ireo amin’izany ny lalànan’ny fifamoivoizana manankery eto amintsika. Marihana fa ny fahazarany manao asa-soa amin’ny fanabeazana Malagasy no nanisika ny Vivo Energy, izay mpizara sy mpivarotra solika sy menaka isan-karazany marika Shell eto amintsika, nanatanteraka an’ity fifanaovan-tsonia ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT