Fampianarana

Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Nanda faninefany ny fanasan’ny CCOI


  • Sabotsy 01 Jolay 2017

Tsy tontosa indray ny fanazavana amin’ny besinimaro mikasika ilay rafi-pampianarana vaovao (PSE) kasaina hampiharina amin’ity taom-pianarana vaovao ho avy ity izay saika hiarahana

 tamin’ny minisiteran’ny fampianarana tetsy amin’ny CCI Antaninarenina omaly. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny CCOI na ilay hetsika fampandraisana anjara ny fiarahamonina amin’ny fiainam-pirenena, izay mpikarakara ny hetsika, dia efa faninefany izao izy ireo no nanasa ny avy eo anivon’ny minisitera hanazava mikasika ity PSE ity ary ny alakamisy teo vao nampandre ny avy eo anivon’ny minisitera fa tsy nisy afaka tampoka daholo ireo solontena 3 saika hanao ny famelabelarana. Mino anefa izahay, hoy ny fanazavana fa tsy tokony hampatahotra ny minisitera ny hanazava bebe kokoa momba ity rafitra vaovao ity.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT