Fampianarana

Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena “Mitohy ny fandraisana FRAM ho mpiasam-panjakana”


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Efa niverina mianatra avokoa ireo kilasy manala fanadinana ary tianay ny manamarika fa tsy maintsy hisy ny fanadinam-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana teknika. Eo an-dalam-pikarakarana tanteraka isika,

 

 

 

 hoy ny talen’ny kabinetra, Manda Ravelojaona, ary mijery ny fivoaran’ity valanaretina Coronavirus ity izay hita fa efa ho voafehy ihany. Miankina amin’ny filankevitry ny minisitra moa, raha ny fantatra ny herinandro teo no amoahana ny datim-panadinana . Ny mpampianatra koa dia manara-maso eny anivon’ny fiarahamonina eny miaraka amin’ny komity loharano. Raha vao maheno na dia tranga mampiahiahy fotsiny aza isika dia efa mandray fepetra mikasika izay, hoy izy. Isaorana ny mpanabe fa sady miasa manabe ny zaza malagasy no miasa indrindra koa amin’ny tsy hiparitahan’ity valanaretina ity. Tsy maintsy arindra ny fahafaha-mandray ireo mpianatra anaty kilasy satria tsy maintsy hajaina ny fepetra. Eo ihany koa no tsy maintsy hijerena vahaolana maharitra ho an’ireo kilasy an-tenantenany. Mandeha ny asan’ny minisitera, hoy izy, na dia eo aza ny fahamehana. Mizara ny fifanarahana andiany faha 6 ho an’ny mpampianatra FRAM raisina ho mpiasam-panjakana izao izahay, ohatra. Eo koa ny fanomanana ny fandraisana sahady ny andiany faha 7. Ny asa eo amin’ny resaka foto-drafitrasa dia mandeha ary ho jerena amin’ity herinandro ity, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT