Fampianarana

Minisiteran’ny fampianarana ambony Notoloran’i India boky miisa 100 000


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Boky fianarana manodidina ny 100 000 ahitana lohateny 37 no natolotry ny governemanta indiana ho an’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

 

 Tamin’ny alalan’ny Ambasadaoron’i India miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Abhay Kumar no nanolorana ireo fanomezana ireo. Ahitana taranjam-pampianarana maro toy ny Matematika, ny fizika simia ary ny siansa ireto boky ireto ary mifandraika tsara amin’ny fampianarana eny anivon’ny ambaratonga ambony. Mitondra fahalalana goavana ary lalana hitondra amin’ny fahombiazana ho an’izay te hahomby ny famakiam-boky, hoy ny ambasadaoron’i India. Ny ivontoeram-pirenena mampianatra ny teny anglisy CNELA  sy ny trano fampirantiana sy fampiofanana etsy Tsimbazaza no hampiasa ireto boky ireto ary eo ihany koa ireo trano famakiam-boky eny amin’ny oniversite.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT