Fampianarana

Minisiteran` ny fanabeazam-pirenena Voatendry ireo ekipa vaovao


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Araky ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra farany teo dia nofoanana avokoa ny didim-panjakana nanendry ireo tale foibe rehetra tao amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy Fanofanana arak'asa teo aloha.

 

 

 

Didim-panjakana vaovao maromaro no niara nivoaka, nanendrena ireo tompon’andraikitra vaovao izay hiara-hiasa amin` ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle. Mila fanarenana goavana tokoa ny tontolon`ny fampianarana ary tsy misy afa-bela intsony na ny fanjakana, mpitantana sekoly, mpampianatra, mpianatra, ray aman- dreny... Mila fikaonan-doha goavana manoloana ny fahaizan`ny mpianatra satria raha dinihana sy jerena akaiky satria toa ampianarina miha-bado ny zaza Malagasy. Mikatso koa ny eo amin’ny lafin’ny fampianarana, ary tsy mety misy ny fitoniana eo amin’ny sendikan’ny mpampianatra, izay misy akony betsaka any amin’ireo mpianatra. Misy zavatra ilàna fanavaozana indrindra amin`ny lafin`ny lalàna. Mitaky ezaka sy fahasahiana lehibe ny fandrindrana ny fandaharam-pianarana hifanaraka amin`ny filan`ny zaza Malagasy. Ao anatin’izany ny fikarohana vahaolana maharitra manoloana ny fahosan’ny fampianarana eto Madagasikara. Manomboka tafapetraka ny ekipa vaovao manodidina ny minisitra, koa azo heverina fa hirindra arak'izany ny asan'ireo tompon'andraikitra vaovao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT