Fampianarana

Minisiteran`ny fampianarana ambony Misy tsy mazava ny fomba fitantanana


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Anisan` ireo nisedra olana vokatrin` ny aretina Covid 19 ihany ny mpianatra eto Madagasikara na ireo katikely na koa ireo eny anivon` ny anjerimanontolo. Ho fanampiana ho an` ireto farany dia nisy ny “cotisation”

 

 

 

natao tamin` ireo tale hividianana vatsy ho an` ny mpianatra tafahitsoka eny anivon` ny “campus universitaire” raha ho an` Antananarivo manokana kanefa maro dia maro ny antson` ireo mpianatra milaza fa noana ary mijaly. Misy mantsy ny atao hoe “rubrique” izay mazava tsara eny anivon` ny minisiteran` ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika mikasika ny vatsy tokony omena ny mpianatra saingy toa tsy fantatra hoe nankaiza ny vola. Torak` izany ihany koa ny mikasika ny “location et déplacement”afaka nomena ny mpiasa ahafahana manofa fiara sy nanomezana tambin-karama ho azy ireo, hoy ny loharanom-baovao iray. Mahavariana ny toe-javatra toy izao satria dia tsy mipaka amin` ireo mpiasam-panjakana izany “rubrique” manokana izany indrindra amin` izao vanim-potoanan` ny valanaretina izao. Marihana fa tsy mbola miasa ny fiara fitateram-bahoaka kanefa ny mpiasam-panjakana dia miverina miasa avokoa saingy samy manao izay ahatongavany any amin` ny birao ny tsirairaiavy araka ny loharanom-baovao iray. Tsara no manamarika fa ny minisiteran` ny mponina izay kely tetibola indrindra aza dia nanao ezaka fanofana fiara hitaterana ny mpiasa ao aminy kanefa ny eo anivon` ny fampianarana ambony dia tsy toy izany, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT