Mila fanatsarana ny kalitaon’ny Fanabeazana

Navoitran’ny tetikasa « SCORE » ireo lesoka maro


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Navoitran’ny tatitry ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny tetikasa SCORE

na “Suivi citoyen par les Organisations de la société civile de la transparence et de la redevabilité de l'Education” fa mbola maro ireo fanamby, fanatsarana, fanarenana ny tontolon’ny fananbeazana indrindra eny amin’ny sekolim-panjakana eto amintsika. Nanatontosa io tetikasa io ny MSIS-TATAO niara-nisalahy tamin’ny MonEPT, ONG Ravintsara, sy DRV, miaraka amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fanampiana avy amin’ny Education à Voix Haute/OFAM. “Misy ny ezaka saingy mbola maro ireo fanamby mila apetraka ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana indrindra ny eny anivon’ny sekolim-panjakana”, hoy ANDRIAMORANIAINA Harijaona, Tale mpanatanteraka ny MSIS-TATAO sady lehiben’ny tetikasa SCORE. Tamin’ny fanadihadiana fahaefatra natao tany amin’ny sekolim-panjakana 464 (EPP sy CEG) amin’ny kaominina 99, dia nipoitra ny lesoka sy ny fahasahiranana. Ny 57,37 % amin’ny mpampianatra dia mpiasam-panjakana, ary mihoatra ny 35 % no karamain’ny ray aman-dreny. Mihena ny isan’ny mpianatra ao amin’ny ambaratonga fototra (65 %) ary ao amin’ny CEG (36 %). Ao Androy, 92 mpianatra ny salan’isa isaky ny kilasy, izay miteraka fahasarotana amin’ny fianarana. 67 % ny taham-pisondrotana kilasy ho an’ny EPP ary 72,31 % ho an’ny CEG, izay ambany satria tokony ho 75 %. Misy ihany koa ny ezaka amin’ny fanampiana ny ankizy marefo sy manana fahasembanana, saingy mila ezaka bebe kokoa. Tato anatin’ny 5 taona farany dia nisy fahatarana 3 hatramin’ny 12 volana teo ny fahatongavan’ny « caisse ecole » teny amin’ireo sekoly misitraka izany. Io toe-javatra io izay miteraka tsy fahafahana namaly ny filan’ny mpianatra momba ny fitaovana fampianarana. Tsy nanda ny Minisitera ny fisian’ny lesoka, araka ny nambaran’i Mamba Serge, tompon'andraikitra ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mbola misy zaza tsy mipetraka amin'ny dablio, sekoly tsy manaraka ny fenitra, ary ny fahasarotana amin’ny fanofanana ireo ankizy manana fahasembanana. Mbola betsaka ny fanamby, toy ny fampitomboana ny fitaovana sy ny toeram-pianarana, ary ny teti-bola ho an’ny fanabeazana. Tanjona ny fananana mpianatra mahay ny fahalalana ilaina sy ny fitantanana mangarahara amin'ny sekoly, indrindra ny sekolim-panjakana. Ny tetikasa SCORE II dia manohy fiaraha-miasa amin'ny vondrom-piarahamonina sy ny fiaraha-miasa amin’ny FEFII mba hanatsarana ny fanabeazana sy hisorohana ny kolikoly.
Toky R

 

 

 

 

 



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT