Fampianarana

Mikatso ny Oniversiten’i Toliara Tsy misy fianarana, tsy misy fanadinana


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Miato tanteraka ny asa, tsy misy fianarana, tsy misy fanadinana, tsy misy “soutenance”. Izay no vokatry ny fitokonan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ao amin’ny oniversite Maninday Toliara

 araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly.Miankina tanteraka amin’ny famahana ny olana ny fiverenan’ny asa hoy izy ireo.Anisan’ny ao anatin’ny fitakiana ny : fandoavana ny ora fanampiny, fandoavana ny karaman’ny mpandraharaha sy ny vatsim-ianarana, ny fanamboarana ireo tranon’ny mpampianatra simba nandritra ny fitokonan’ny mpianatra ary ny fametrahana ny fandriampahalemana.Miantso ireo namany manerana ny nosy mba hanohana ny fitakiana iombonana ny mpampianatry ny oniversite ao Toliara satria mitovy ihany ny olana hoy i Felix Rabialahy, filohan’ny Seces Toliara.Mikatso izany aloha ny fampianarana amin’ny ambaratonga ambony ao Toliara raha ny zavatra hita omaly aloha, andrasana izay mety ho fifampiresahana; ny resaka azo atao fa vahao haingana ny olanay hoy ireto mpampianatra ireto fa efa tena diso tafahoatra loatra ilay tsy firaharahiana ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony ka ampiandrasina sy tahaka ny hoe ampifilafilaina foana izahay, hoy izy ireo izay nilaza fa hihamafy ny fitokonana rehefa tsy misy ny vahaolana,
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT