Fampianarana

Mikatso indray ny fampianarana ambony Oniversite maty mandritra ny fotoana tsy voafetra


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Nohamafisin’ny Sendikan’ny mpampianatra SECES Sampana Antaanarivo tamin’ny alalan’ny fanambarana navoakany omaly 24 aprily ny hirosoan’izy ireo indray amin’ny fanaovana

"Oniversite sy foibem-pikarohana nasionaly miankina amin'ny Fanjakana maty" manomboka anio alatsinainy 25 aprily 2022, mandra pisian'ny vahaolana atolotry ny Filoham-pirenena. “Hitovizana amin'ireo sanpana SECES rehetra manerana ny Nosy io hetsika io, koa manainga ny fianakaviamben'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tSiansa mba samy handray ny andraikitra mifanaraka amin' izany sy tandrify azy avy: tsy mianatra ny mpianatra mikatona daholo ny toeram-pianarana rehetra tsy mampianatra no sady tsy mamonjy toeram-pikarohana ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra”, hoy ny ampahany amin’ny fanambarana. Nanamafy ny SECES Antananarivo fa tandindonin-doza ny Oniversite miankina amin'ny fanjakana sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly (CNR) satria tsy tanteraka ny voalazan'ny Lalàmpanorenana 95I.14 milaza araka ny andininy 95, fa ankoatra ireo raharaha ampisahanin'ny andininy hafa ao amin'ny Lalàmpanorenana azy dia: ny lalàna no mametra ny fitsipika mikasika ny sata sy ny fitondrana ny fizakan-tenan'ireo Oniversite, ary koa ny sata mifehy ny mpampianatra eny amin'ny fampianarana ambaratonga ambony;". Fanapahana (Décision) an'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) teo aloha izay mandidy ny fitondram-panjakana hamoaka faran'izay haingana an'ireo lalàna, izay fototra miantoka ny firoboroboan'ny Oniversite miankina amin'ny fanjakana sy ireo CNR sy ny filaminam-piarahamonina, ka ahafahana misoroka ny olana samihafa (indrindra fa ny vatsim-pianarana sy karaman'ny mpandraharaha ary ny Ora Fanampiny an'ny mpampianatra tsy voaloa ara-potoana) nahatonga fitokonana miverimberina. Andrim-panjakana ao anatin’ny Fanjakana anefa no nanao vato manoha riana ka nandà tsy hampanan-kery eto amin’ny tanin’ny Reepoblikan’i Madagasikara ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan’ny oniversite (Loi 2021-028 sur l'autonomie des Universités et des Etablissements Publics d'Enseignement Supérieur et de Recherche Scientifique), na indroa naverina tany amin’ny antenimiera ary lany tsy nisy nitsipaka aza, hoy ny SECES Antananarivo…. Tany tan-dalàna i Madagasikara ka mila miaina ao anatin'izany lalàna momba ny fizakantenan'ny oniversite izany ny anjerimanontolo miankina amin'ny fanjakana sy ny rantsa-mangaikany, dia ny fizakantena ara-pitantanana, ara-bola, sy ara-tsiantifika, hoy ny SECES.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT