Fampianarana

Miha mafy ny fitokonana Manome 72 ora ny praiminisitra ireo mpampianatra


  • Talata 24 Jolay 2018

Nanome 72 ora ny praiminisitra Ntsay Christian ihany koa ireo mpampianatra mitokona nanomboka omaly, mba hanatanterahana ny fangatahan’izy ireo taorian’ny 72 ora nomen’ny praiminisitra azy ireo tsy maintsy hiverenany mampianatra any an-tsekoly.

Taorian’ny fihaonambe notanterahin’ireo mpampianatra tsirairay avy tany amin’ireo sekoly iadidiany eto an-drenivohitra no nahafantarana izany, omaly, izay nitohy avy hatrany tamin’ny fitokonana tetsy amin’ny tokotany malalaky ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy. Nambaran-dRamiandrarivo Aina, filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpiasam-panjakana eto Madagasikara  fa tsy ilay fihenan’ny vola hangatahin’izy ireo amin’ny fitondram-panjakana, izay nidina ho 25.000 Ar isaky ny mpampianatra no olana, fa ilay fitaka ao ambadik’izay mihitsy. “Izao izahay mpampianatra no mahatsiaro maharary, noho  ny fahasahiranana mianjady aminay, nefa hatramin’ny taona 2020 no kasain’ny fitondram-panjakana handoavana miandalana ny vola fanampiana”. Ankoatra izay, hoy hatrany ny filohan’ny SEFIMA dia taratasy tsy nisy fitomboka mena avy amin’ny praiminisitra akory no nalefany tany amin’ireo tompon’andraikitra tokony handoa ny vola, izay toy ny tsy manan-kery ihany. Nanambara moa ireo mpampianatra marobe tonga tetsy Anosy omaly ireto fa tsy famaliana ny fitakiany no tena tanjon’ny fitondram-panjakana amin’izao fa hamonjena fotsiny ihany ilay fanadinam-panjakana izay tena mahaporitra azy ireo. Marihina fa notapahin’ny minisitera ny jiro nampiasain’ireto mpampianatra ireto ka voatery nanao tsipaipaika namoaka vola am-paosy izy ireo nividianana gazoala sy nanofana famatsiana herinaratra nampiasan’izy ireo.

Naverina nody daholo indray moa ireo  mpianatra eny anivon’ny CEG sy lisea  teto an-drenivohitra vokatr’izany.

 

 

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT