MIATRIKA FANADINANA NY MPIANATRA

Mbola tsy nahaloa saram-pianarana ny ankamaroany


  • Talata 12 Desambra 2023

Niatrika ny fanadinana roa volana faharoa sady hamaranana ity taona 2023 ity

ny ankamaroan’ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina eto amintsika nanomboka omaly Alatsinainy 11 Desambra. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo sekoly tsy miankina maro eto an-drenivohitra dia mbola maro amin’izy ireny no tsy nahaloa saram-pianarana. Amin’ny ankapobeny mantsy dia isaky ny fahadimin’ny volana hitsahina no farafandoavana izany isam-bolana. Maro tamin’ireo talen-tsekoly no sadaikatra noho izany omaly. Tsy hampanaovina fanadinana ilay zaza dia ho very main any ezaka efa nataony. Hampanaovina koa anefa dia misy ireo efa roa volana izao no tsy nahaloa izany saram-pianarana izany. Raha izao no mitohy hoy ny talen-tsekoly iray dia tsy hahavita hampiana-janaka intsony ny fianakaviana Malagasy. Tena sahirana ny isan-tokantrano hoy izy vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny. Na dia efa misy aza ny volakely natokana handoavana saram-pianarana dia voakitika hatrany izany hividianana vary sy laokakely, hanetsemana ny banga hany ka ilay fampianaran-janaka indray no lasa ambanin-javatra. Nisy tamin’ireo Ray aman-dReny moa omaly no tonga nidodododo vao maraina tany an-tsekoly niangavy ny mba hahafahan’ny menaky ny ainy manao fanadinana ary hanefa ilay saram-pianarana raha vantany vao mahita. Maromaro ihany izy ireo raha ny zavatra hita teny anivon’ireny sekoly tsy miankina ireny. Ny fitondram-panjakana eo an-daniny mijery fotsiny, tsy mba mahalala mitondra tantsoroka kely akory entina hanarenana ny sehatry ny fanabeazana na dia ny fanamaivanana ny Ray aman-dReny fotsiny aza. Hifarana amin’ny Alakamisy ho avy izao moa ity fanadinana roa volana faharoa hatrehin’ny mpianatra ity raha hanomboka ny 20 Desambra ho avy izao kosa ny fialan-tsasatry ny fetin’ny Noely izay hosantarina amin’ny alalan’ny fety hataon’ny mpianatra any amin’ireo sekoly misy azy avy. Pati
Legende : Izay mandoa saram-pianarana ihany no miatrika fanadinana tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT