METFP-Madagascar Airlines

Hosokafana ny lalàm-piofanana « aéronautique »


  • Alakamisy 02 Jolay 2026

Niroso tamin’ny fanaovan-tsonia

fiaraha-miasa lehibe ara-stratejika ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa (METFP) tamin'ny alalan'ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry sy ny Madagascar Airlines tamin'ny alalan'ny Tale Jeneraly Rado Rabarilala omaly 01 jolay2026. Hiompana amin’ny tetikasa lehibe hananganana lalàm-piofanana momba sehatra an’habakabaka na ny "Aéronautique", mikendry ny hanamafy ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny asa sy ny fahaiza-manao mifandraika amin'ny fikojakojana fiaramanidina sy ny maro hafa eto Madagasikara. Mikendry ny hanamafy ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny asa sy ny fahaiza-manao mifandraika amin'ny fikojakojana fiaramanidina sy ny maro hafa, tafiditra anatin'ny finiavana hitondra rivo-baovao ho an'ny tontolon'ny fitaterana an'habakabaka amin'ny fanomezan-danja ireo manam-pahaizana Malagasy. Tanjona ny hanana tanora afaka hifantoka amin'ny fampandehanana ny kaompania Malagasy rahampitso fa tsy hanafatra manam-pahaizana avy any ivelany foana. « Zanaka olon-tsotra aho, ary matoa aho tonga mpanamory dia mahatsiaro mandrakariva ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra, ary manana adidy sy andraikitra mba hamerina kosa izay fahafahako izay. Niofana ho mpanamory fiaramanidina dia mahatsiaro ireo tanora Malagasy dia manana adidy sy andraikitra, ka izay no nisafidianana manokana ireo mpianatra amin’ny lisea teknika hiofana ho lasa mekanisianina matihanina eo anivon’ny Kaompania Air Madagascar », hoy Atoa Rado Rabarilala. Mahatsiaro ho manana andraikitra ihany koa izahay , hoy izy, dia ny fandraisana anjara ny fanofanana ny tanora Malagasy izay afaka hiantoka ny fampandehanana ny kaompaniantsika rahampitso, fa tsy voatery hanafatra manam-pahaizana avy any ivelany foana. Notsipihiny fa fampiasam-bola hanomanana ny ho avy noho izany ity fanofanana ity, mba hananana taranaka vonona sy vanona ihany koa hampandroso an’i Madagasikara. Ho an’ny Madagascar Airlines, dia zava-dehibe aminy satria fanehoana fahavononana hizara traikefa sy fahaiza-manao, fanajana hentitra ny fitaterana an’habakabaka, fahintsiana sy fiarovana, mampifandray ny tolotra sy ny tinady dia ny asa. Nanamafy kosa ny Minisitra Atoa Todisoa Andriamampandry, fa fanamby napetraky ny METFP ny hisokatra amin’ny lalam-piofanana maro ho an’ny tanora, ka anisany ity « filière aéronautique » iarahana amin’ny Madagascar Airlines. « Sambany sy miavaka ary tena mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona, tsy mbola nisy teo amin’ny tontolon’ny fanofanana teknika sy fanofanana arak’asa », hoy izy. Hisy « formateurs » hanofana ny tanora amin’io lalam-piofanana io, hampita fahaizana na « transfert de compétence » amin’ireo mpampiofana eo anivon’ny fampianarana teknika avy eo hampitaina amin’ny tanora. Ireo mpianatra ireo dia hanao fizarana asa ary raisina ho mpiasa raikitra ireo mpianatra mahay tena mahafehy ny asa, ka mba tanora Malagasy no mba mitondra ny anjara biriky hitondra ny fahaizana amam-pahalalany hampandrosoana ny kaompania Malagasy. Hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny lafiny mekanika, ary maninona moa raha fanamboarana fiaramanidina mihitsy aza moa any aoriana satria vitan’ny vazaha ve tsy mba ho vitantsika, hoy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry. Ny Vondrona Aeoropeanina no fantatra fa isan’ny hamatsy vola ity tetikasa ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT