Fampianarana

Maroantsetra Maty teo am-panaovana “Gym bac” ilay tovolahy


  • Alatsinainy 22 Mey 2017

Nosembanin-drahona ny adina fanadinana bakalorea ara-panatanjahantena tao Maroantsetra ny zoma teo. Maty tampoka teo am-pahatongavana nanao ny taranja farany 1.000m i Marco 19 taona mpianatry ny sekoly tsy miankina

“La Lumiere” ao Maroantsetra. Ny fanazavana avy any an-toerana no nahalalana fa mbola nahavita tsara ny taranja roa voalohany izy izay tsy hita soritra mihitsy ny olana teny aminy. Noheverin’ny mpitsabo tamin’ny fizahana azy fa mety nihinana na nisotro zavatra manome hery tampoka ireny ny tenany teo am-piatrehana ilay taranja 1.000m, ka izao niteraka fijanonan’ny fony tampoka izao. Raha ny vaovao hatrany dia vitany tao anatin’ny 3mn 21s ity taranja 1.000m ity izay ao anatin’ny naoty tsara tahaka ireo taranja hafa nataony. Taorian’izay dia nampitandrina ireo mpanao fanadinana bakalorea ara-panatanjahantena ny tompon’andraikitry ny sekoly amin’ny fampiasana sakafo na zava-pisotro na fanafody mety mampatanjaka tampoka amin’ny fihatrehana izany.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT