Marary ny fampianarana sy fanabeazana

Nataon’ireo mpitarika sendika sasany tohatra politika


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Mpitarika ny sendika MITAFA fantatra eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana miisa 3 no nosamborina

ny alatsinainy teo, raha nikasa hanao hetsika fanairana toy ny fanao teny amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny fanabeazana Anosy, mba hijerena ny olana sy fahasahiranana misy eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Voalaza omaly, fa noho ny raharaha fanodikodinam-bola no nisamborana ny iray tamin’izy ireo, ary nalefa any Bongolava. Efa nisy ny fikarohana azy efa ela ary izao tratra izao, raha ny vaovao nivoaka teo anivon’ny Sampana fikarohana momba ny heloka bevava tao Fiadanana. Ny roa hafa kosa noho ny fitakiana ara-tsendikaly. Ho alefa eny amin’ny fitsarana ity raharaha ity, saingy afaka nody kosa taorian’ny fanadihadian’ny zandary. Tonga teny sampana fikarohana heloka bevava teny Fiadanana nanontany ny zava-misy kosa ireo sendika naman'izy ireo. Mandeha moa ny famohazana fa efa ho dimy taona mahery no tsy nisy fiakarany na dia 1 Ar ny karaman'ny mpiasam-panjakana, ary anisany izany ny mpampianatra mpanabe. Ny tambinkarama natokana ho an’ny hofantrano anefa dia 14.000 Ar. Samy lasa nialokaloka any anaty politika avokoa ireo nilaza fa mahery fo tao amin'ny MEN nitarika ireo hetsi-pitakiana samihafa talohan’izao fitondrana izao, hoy ny fanamarihana. Mandeha ny fampahatsiahivana, fa nisy izany ANEFA (Fivondronan'ireo mpampianatra mbola tsy mpiasampanjakana), izay notarihiny Elidio Randrianjafy. Tsy nisy minisitra tsy nosahiranin'izany mpitarika izany teto amin'ny firenena talohan'ny fitondran'atoa filoha Andry Rajoelina. Lasa Ben'ny tanana IRD ao amin'ny kaominina Anosizato Andrefana izy ka natory tanteraka ny ANEFA. « Tsy zoviana tamintsika izany Arsène Tolojanahary izany; izay mpitarika ny SEMPAMA- NOSY. Lasa solombavambahoaka IRMAR voafidy tao amin'ny distrika Befotaka Atsimo ihany koa ary voafidy ho filohan'ny kaomisiona ny fanabeazana ao amin'ny antenimierampirenena kanefa dia tsy ary niloa-bava na indray mandeha mahakasika ny tokony hanatsarana ny tontolon'ny fanabeazana, fa variana mi goka ny tombontsoa ao amin'ny antenimierampirenena ao miaraka amin'ireo akamakama », hoy ireo mpanabe. Mba niezaka ny nanentana ireo mpanabe namany atoa Mahatoky Back, izay mpitarika ny Syndicat MITAFA, nandritra ny herinandro vitsivitsy ary mba nanandrana ny andeha haneho hevitra tao amin'ny MEN, toy ny fanao hatrizay, fa tonga dia nosamborin'ny mpitandro filaminana », hoy hatrany ny fanamarihan’ireo mpanabe. Natao fitaovana politika nakana seza sy fahefana ve izany ny fanabeazana ho an’ireo mpitarika sendika sasany ary izay sahy mijoro ankehitriny dia tratry ny fampihorohoroana?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT