Fampianarana

Manomboka anio ny bakalorea Mahatratra 192 435 ny mpiadina


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Mpiadina 192 435 manerana ny Nosy no hiatrika ny bakalorea manomboka anio alatsinainy 18 jolay 2022. Nisy fihenany 4039 io mitaha ny tamin’ny taon-dasa.

Ny sokajy “littéraire” no btsaka indrindra satria mahatra 116 165 ny 12, manome 60,36% amin’ny isan’ny mpiadina rehetra. 8893 kosa ny sokajy A1, ary 10 332 ny sokajy vaovao L. Miisa 39 161 kosa ny sokajy siantifika: Serie D 27 660, Serie S 9 462, Serie C 2 039, ary 6 253 kosa ny ao anatin’ny sokajy vaovao ao anatin’ny siantifika antsoina hoe OSE (Organisation, Société, Economie). Miisa 11 631 kosa ireo mpiadina ho an’ny bakalorea teknika sy arak’asa. Mahatratra 413 ireo foibem-panadinana handray ireo mpiadina 192 435 ireo, kan y 168 eto amin’ny faritanin’Antananarivo avokoa izay misy mpiadina 75 126. Foibem-panadinana 69 kosa ny ao anatin’ny faritanin’i Toamasina izay ahitana mpiadina 30 188, faharoa be mpiadina indrindra. Any Fianarantsoa kosa ny fahatelo izay misy foibem-panadinana 57 ahitana mpiadina 30 063; 60 kosa ny foibem-panadinana any Toliara, 21 849 ny mpiadina; I Mahajanga kosa manana mpiadina 20 884 mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 37, ary Antsiranana misy mpiadina 14 325 hiadina amin’ny foibe miisa 22. Hifarana ny 22 jolay ny fanadinana ho an’ny sokajy ankampobeny izay manomboka anio. Mitohy ny 25-28 jolay kosa ny bakalorea teknika sy arak’asa ary ny teklonolojika. Mirary fahombiazana sahady ho an’ny mpiadina rehetra manerana ny Nosy. Entanina hiomana tsara amin’ireo pitsopotsony tahaka ny taratasy fiantsoana, ary tsy ho sodoka amin’ny fandrebirebena sy fanakorontanana amin’ny endriny maro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT