Fampianarana

Manizingizina ireo mpianatra any Toamasina “Niniana natao iny tifitra iny ary tsy hamelanay”


  • Alatsinainy 22 Febroary 2021

Namoaka fanambarana tamin’ny Alalan’ny Minisitry ny serasera sady mpitondra

 

 

 

tenin’ny governemanta Rtoa Lalatiana Andriatongarivo ny Fanjakana manoloana ny toe-draharaha nahafatesana mpianatry ny anjerimanontolo tao Barikadimy ny alakamisy 18 febroary teo. Nambara fa nisy ny sakana natsangan’izy ireo tamin’ny lalam-pirenena faharoa. Mba hampitsaharana ny tora-bato izay nataon’ny mpianatra, dia nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Niteraka famoizana ain’ny mpianatra iray izay voan’ny bala teo amin’ny feny vokatry ny tifi-danitra nataona mpitandro filaminana iray izay voatazon’ireo mpianatra ny fifandonana, hoy io taratasy navoakan’i Lalatiana Andriatongarivo io. Taim-bala 4 no azon’ny mpianatra, ary miisa 3 ireo maratra ankoatra ilay namoy ny ainy, saingy mbola manitrikitrika izany ny mpitondra tenin’ny governemanta fa tifi-danitra ilay natao, izay nahaloaka vavahady. Mikasika ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana

TSY TIFI-DANITRA IZANY…

Gaga izahay naheno tamin’ny vaovao, ny FIP no nitifitra ny namanay, ary izao no isan’ny nokendrena, hoy ny mpianatra iray. Tsisy alahelo niaraka tamin’ny teny ratsy. Basy in-droa mipoaka. “Balle perdue” ve dia hiditra eo ambanin’ny foitra ny iray amin’ny lohalika? Mba mahaiza mizara ny zavatra marina ny mpitondra, fa tsy manaraka ny lainga misy any. Miangavy anareo, mba faizo ny mpandika lalàna, avoahy ny marina, sazio ilay mpitandro filaminana nitifitra, hoy ireo mpianatra. Mila hitanay maso hoe izay ilay nitifitra? Tsy hangina izahay raha tsy miala amin’ny asany sy migadra izy, hoy ireo mpianatra. Zana-bahoaka, olona tokony harovana izahay, vatsim-pianarana no isan’ny nahatonga izao ka mila mivoaka ary 4 volana farafahakeliny no takianay, hoy ireo mpianatra. Nambaran’ny governemanta fa efa nandefa vola eny anivon’ny Fiadidian’ny Oniversite ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony tamin’ny jolay 2020. Sahy miteny ve ny Fanjakana fa vatsim-pianarana ampy sy ho an’ity taom-pianarana hitsahina ity no nalefa sy efa feno araka ny fitakian’ny mpianatra? Voizin’ny mpitondra hatrany ny hoe misy fikasana hanao fitaovana ny tanora Malagasy ny Fanjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT