Fampianarana

Maninday Toliara Tranon’ny mpianatra an-jatony may kila forehitra


  • Zoma 11 Septambra 2020

Nisehoana fahamaizana goavana tao amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra na ny “Campus Universitaire” antsoina hoe Relax ao Maninday Toliara, omaly 10 septambra.

 

 

Tsy mbola tsy fantatra ny antony nahatonga ny firehetana, izay ahiana ho akoson’aratra. Ireny antsoina hoe trano vondro na trano vita amin'ny bozaka ireny ny ankamaroan'ireto trano may ireto, izay isan’ny antony nampihombo haingana dia haingana ny hafa sy nampanano sarotra ny famonoana azy. Trano hofaina izy ireo, ka 100 eo ho eo ireo trano ravan’ny afo, raha ny vaovao azo avy any-toerana, ary mpianatra roa no naratra mafy nandritra ny famonoana ny afo. Potika, may kila ny avokoa ireo fitaovana izay taraiky tao anatin’ireo trano ireo. Niantso vonjy avy hatrany amin’ny fitondram-panjakana ireo mpianatra ka tonga nijery ny zava-niseho sy ny fahavoazana ny Filohan’ny Oniversiten’i Toliara, ka nisy ny trano vonjimaika handraisana ireo mpianatra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT