Fampianarana

Mandritsara Maty teo am-panaovana EPS ilay mpianatra


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Mpianatra iray ny zoma lasa teo no maty teo am-panaovana ny fanatanjahantena an-tsekoly EPS tany Mandritsara. Rakotoson Jean Luc no anarany, tovolahy vao 17 taona monja,

 mpianatra amin'ny lisea Antsaramidola, kilasy faharoa (Classe de 2nde). Zanak'i Jean Ernest sy Soazy avy ao Bandambe ity tovolahy namoy ny ainy ity. Marihina fa teo am-pakana naoty nandritry ny hazakazaka izay nahazoany laharana faha-04 no namoy ny ainy ity tovolahy ity.Ny any ivelany dia misy hatrany ny fizaham-pahasalamana alohan'ny hanaovana ny fanatanjahantena tahaka izao raha tsiahivina. Mbola sarotra anefa izany eto amintsika noho ny tsy fahampiana ara-pitaovana sy ny mpitsabo. Na izany aza andrasantsika ny fanatsarana tokony hataon’ny Fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT