Fampianarana

Manampahaizana navoakan’ny IT University Maro no efa nahita asa sahady


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Nitombo 98 mianadahy indray ireo tanora manampahaizana momba ny fikirakirana ny informatika avo lenta eto amintsika. Mpianatra navoakan’ny sekoly ambony IT University eny Andoharanofotsy izy ireo, ka ny 31 isa misalotra ny anarana Lafatra no notolorana ny mari-pahaizana “Master II” izany hoe

 

 

 

 : nandalina ny informatika  nandritra ny dimy taona taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana Bakalôrea raha notolorana ny mari-pahaizana “licence” kosa ireo andiany Iray izay tovovavy ny ankamaroany. Raha araka ny  fanadihadiana natao omaly teny amin’ny ivontoeram-pilanonana Andy By pass namoahana azy ireo   dia efa maro amin’izy  98 mianadahy ireto no nahita asa. Anisan’ny nandray azy ireo ny orinasa BASAN an’Atoa  Karim  Barday izay mpiahy azy ireo sady nianaran’ny mpianatra asa ihany koa na stage…. Misy ihany koa anefa ireo mbola hanohy ny fianarany hahafahany mandeha lavidavitra kokoa, indrindra fa ho an’ireo notolorana ny mari-pahaizana licence. Tsiahivina moa fa anisan’ny nanofanana azy ireo manokana ny resaka   “Bases de données réseau”, na ny “Web integration et design”  raha toraka izay ihany koa ny  “Developpement d’application”. Mora ahitana asa na hananganana orinasa ho an’ny tena ny fahaizana mikirakira ny informatika avo lenta tahaka izao, antony  manosika ireo tanora marobe ankehitriny hirona amin’izany. Ho an’ny IT University manokana dia mbola vonona hatrany izy ireo ny hanampy ireo tanora Malagasy liana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT