Manam-pahaizana momba ny fadin-tseranana

Namoaka ny andiany Masova ny INSPNMAD


  • Zoma 28 Febroary 2025

Tontosa omaly teny amin’ny Espace Rose By Pass ny famoahana ny andiany “Masova”

ho an’ny lalam-piofanana «Transit et Douanes» na ny tontolon’ny fadin-tseranana teo anivon’ny sekoly ambony INSPNMAD. Manam-pahaizana miisa 94 mianadahy no navoaka nandritra izany, izay nahazo ny mari-pahaizana DTS sy Licence. 56 amin’izy ireo nahavita ny fianarana mahakasika ny «Transit» ary ny 38 kosa nanaraka ny fiofanana “Commerce International” na tsena iraisampirenena. Nambaran’ny Talen’ny fampianarana, Randrianasolo Jean De Dieu, fa hiadian’ny orinasa ny mpianatra mivoaka avy eo anivon’ny INSPNMAD, rehefa any amin’ny sehatry ny asa noho izy ireo manana ny maha izy azy. Azo antoka araka izany ny hoavin’ireo tanora mahavita fianarana amin’ity lalam-piofanana «Transit et Douanes» ity ary misy mihitsy no manangana orinasa ho azy manokana, hoy ny fanazavàna. Tsiahivina fa efa nanomboka ny taona 2000 no nisy ity lalam-piofanana ity teo anivon’ny INSPNMAD ary mpianatra maro no efa navoakany. Efa miitatra manerana ny nosy ihany izany lalam-piofanana izany, izay efa misy any Toamasina, Fianarantsoa ary Antsirabe. Aorian’izao fahavitan’ny fianarana izao, hizara roa ireo mpianatra, ka misy ny tonga dia hiasa avy hatrany ary misy kosa ireo izay mbola hanohy fianarana Master 1 sy Master 2, araka ny fanazavana hatrany. Nanamafy ny filoha tale jeneralin’ny sekoly fa mbola malalaka ny asa ho an’ity lalam-piofanana ity eto Madagasikara ary anisan’ny sekoly matihanina ny INSPNMAD amin’ny fampitàna fahalalana ho an’ny mpianatra ary manana mpampianatra manana traikefa ihany koa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT