Fampianarana

Maitre Michel le Dragon “Misy aretina ao amin’ny fampianarana ao”


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Niforona ny taona 1990 tany Antsohihy ny fikambanana Gasy ka mahery na GAKAMA, hoy ny mpanorina azy, Maitre Michel Le Dragon.

Nivadika taty Tsiroanomandidy avy eo ny taona 1992 ary nandrisika ahy ho kandida depiote tao an-toerana tamin’ny alalan’ny lisitra Mahaolona niaraka tamin’i Dama Mahaleo taty Antananarivo, hoy izy. Nandamina ny disadisa ara-politika teo amin’ny Federalista sy ny Herivelona izahay ny 1993 tao Brickaville. Namoaka ny ankamaroan’ireo mpandrindra filaminana na “agent de sécurité” tao amin’ny SPS ny 1994 ny GAKAMA. Nanomboka ny taona 1999 no nisy lalana nivoaka nilaza fa tokony manavao ny fisiana araka ny lalana 1997-014 ny fikambanana niforona talohan’ny taona 2000 dia voatery namorona sata manokana ho an’ny federasionin’ny haiady nentim-paharazana izahay. Noforonina koa ny federasionina iraisampirenena sy kaomisionina tekinikan’ireo kanto ary ny kolontsaina nentim-paharazana eto Madagasikara. Iarahana amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ireo ka tokony hampianarina any amin’ny EPP ny ringa, any amin’ny CEG ny Diamanga, any amin’ny lisea ny Morengy, any amin’ny oniversite ny Moridima mba ho tonga fiforonana asa sy zavatra atao ary fahasoavana ho an’ny firenena. Misy aretina ao amin’ny fampianarana ao. Lasa midofotra isika. Be olona nianatra eto Madagasikara fa tsy misy intsony ny tia karokaroka sy mahay mampiana-tena. Izay ilay anton’ny vahaolana entiko hoe andao hihevitra izay azo atao anatin’ny sekoly ianaranao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT