Fampianarana

Mahajanga- Mpianatra noroahina tamin’ny trano Matin’ny tazomoka ny tovolahy iray


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Nodimandry tao amin'ny hopitaly CHU PzaGa Androva, rehefa notsaboina nandritra ny 5 andro i Marco Fabrice, 20 taona, avy any amin'ny distrikan’Ambanja, Faritra DIANA,

 mpianatry ny oniversiten'i Mahajanga, fakioliten’ny Siansa. Voalaza fa tazo mahery (neuropaludisme) no nahazo azy. Anisan’ireo voaroaka tao amin’ny tranon’ny mpianatra noho ny fanapahan-kevitra noraisin'ireo mpitantana ny oniversite sy ny minisitera mpiahy vokatry ny korontana ny 12 oktobra izy. Rehefa nesorina tamin’ny trano ny mpianatra dia betsaka tamin'izy ireo no tsy nanana toeran-kaleha. Voatery namonjy toerana nahafahana nanorim-ponenana vonjimaika ka dia natsangana ny tanty tsizarizary. Fahavaratra ny andro, be rotsak'orana sady mafana, mirongatra ny moka sy ny tazomoka ka izay no nahavoa azy raha ny fanazavana. Efa nisy ireo antso matetika nataon'ny ray aman-dreny sy ireo Sojabe ao an-toerana tamin'ireo tompon'andraikitry ny oniversite sy ny mpitondra fanjakana ao Mahajanga ny amin'ny tokony hanomezana azy ireo trano vonjimaika mba hisorohana ny loza. Nanao be marenina hatrany anefa ireo tompon'andraikitra. Mipetraka amin’ny tanty tafo lanitra izahay ary betsaka ny marary, hoy Ravelondrazana Hitler, iray amin’ireo mpitarika ny mpianatra. Efa nitaraina tamin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny haino aman-jery isan-karazany izahay, saingy ninia tsy namaly ny olana izy ireo, ka dia izao niafara tamin’ny fahafatesan’ny namanay izao, hoy izy. Betsaka ny fangatahana efa natao, manao be marenina ny mpitondra. Fiainana tsizarizary, rano maloto no sotroina. Tsy nisy na tompon’andraiki-panjakana sy ny avy amin’ny oniversite na iray monja aza nijery ny zava-manjo ireo mpianatra. Rehefa maty ity tovolahy ity, dia nangataka ireo mpianatra sy ny fianakaviana mba ho hiaretan-tory any amin’ny  “Grande salle” ao amin’ny oniversite izy saingy tsy nomen'ireo mpitantana. Voatery ny prefen’i Mahajanga no nanome trano, ka niaretan-tory tao amin'ny kianja mitafon’i Mahanjanga ny razana. Na inona na inona mety ho helok’ireo mpianatra, mibaribary ny endrika tsy fanajana ny zon’olombelona ataon’ny mpitantana ny oniversite sy ny minisiteran’ny fampianarana ambony, izay tsy nisaina kely akory ny fahoriana zakain’ireo tanora ireo. Tsy hay aloha na hisy ny vahaolana sy fandraisan’andraikitra aorian’ity fisian’ny fatiolona ity na mbola hotazanim-potsiny ireto mpianatra tsy manan-kialofana ireto, izay avy lavitra ny ankamaroany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT