Fampianarana

Madagasikara Miloko politika ny fanabeazana…


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Isan’ny nitsikerana ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ny endriky ny vola 10.000 ariary ho lokon’ny antoko politikany. Toy izany koa ny nanjo ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, tamin’ny vola 20.000 ariary.

 

 Notsorin’ny mpanara-baovao ihany moa ilay izy tamin’ireny fotoana ireny hoe samy mametraka ny azy ny fitondrana mandalo. Mbola fitsikerana hanohanan’ireo mpiaradia amin’ny fitondram-panjakana ny fandokoana volomboasary ny tanana etsy sy eroa mandrak’androany ireo lokom-bola ireo saingy mampametra-panontaniana hoe nisy nandoko ny rafim-panjakana hifanaraka tamin’ny loko politikan’izy ireo ve ireo mpitondra teo aloha voalaza teo? Ny resaka rafim-panjakana eo ihany fa aiza kosa ankehitriny ny fametrahana ny lokon’ny fanabeazam-pirenena ho tsy miandany amina firehana politika? Efa nampitaraina ireo mpanabe ary na ireo mpiaradia amin’ny fitondram-panjakana koa aza dia efa nisy niaiky fa lesoka goavana tamin’ny fanabeazam-pirenena eto Madagasikara ny fanaovana azy ho fitaovana politika tao anatin’ireo fitondrana nifanesy. Miharihary sy ara-bakiteny anefa ankehitriny ny fandokoana politika ny fanabeazam-pirenena amin’ny alalan’ny fandokoana volom-boasary ny efitranon’ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT