Fampianarana

Lycée Mixte Ambanja Nanamafy ny fitakiany sy ny fitokonany


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Mbola mitohy hatrany ny fitokonan'ny mpampianatra ao amin'ny Lycée Mixte Ambanja, izay niditra tamin’ny andro faharoa.

Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo omaly 06 septambra, nampahatsiahy ary mbola manamafy ny tsy hiasa raha tsy misy ny fanampahan-kevitra haingana ho raisin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, manoloana ny fahataran’ny fivoahan’ny “Déçision” izay manendry Proviseur vaovao hisolo toerana ny Proviseur Norbert, izay tsy sitrak’izy ireo. Marihina, hoy ireo mpampianatra, fa efa nandefa mpitandro filaminana teo anivon’ny amin’ny Lycée io Proviseur io, kanefa tsy tokony hidiran’ny mpitandro ny filaminana ny ato amin’ny faritry ny sekoly satria am-pilaminana no iandrasan’izy ireo ny valin’ny fitakianay. Nampanantena fa handray ny asany avy hatrany ireo mpampianatra, raha vao mivaly ny fitakiany dia ny Fialan’ny Proviseur Norbert. Raha hiverenena, efa nilaza ireo mpampianara fa efa nifanarahana tamin'ny solon-tenan'ny DREN, CISCO,… fa ny taom-pianarana 2021/2022 teo iny no miasa ao farany ity Proviseur io noho izy efa hoisotro ronona amin'ny desambra 2022 io ary noho ny olana maro misy eo aminy sy ny Mpampianatra ao. Amin’izao taom-pianarana vaovao izao, misy mpampianatra karamain'ny FRAM efa nandritry ny taona maro ary efa tsy ho ela dia ho voaray mpiasam-panjakana araky ny filaharany any amin'ny lisitra am-pahibemaso no tsy omeny kilasy tazomina (na ora iasana). Mazava ny tanjony fa te hanala ireo mpampianatra ireo ao amin'ity lycée ity izay mifanohitra amin'ny taratasy nosoniaviny io ambany io, hoy ny andaniny. Nampidininy ihany koa ny Karaman'ny “Gardien”-n'ny Lycée izay tsy nifanarahana tamin'ny Ray aman-dReny satria moa karamain'ny Ray aman-dreny io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT