Fampianarana

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

 

 

 

Hanaovany amboletra indray amin’izao fotoana izao ny fanitarana ny trano lehibeny anankiray izay tafiditra ao anatin’ny faritry ny  "Lycée Jacques Rabemananjara" ao Salazamay Toamasina. Efa nanaovan’ny ray amandrenin’ny mpianatra sy ireo mpanabe ary mpitantana an’ity sekoly ity fitarainana tamin’ireo tompon’andraikitra mahefa ao andrenivohi-dRasaraka ny toe-draharaha saingy karazany antso an’efitra ihany izay rehetra natao hatreto noho ny antony tsy dia mazava loatra. Very hevitra mihitsy noho izany izy ireto olona nitaraina ireto  ka loa-bava fa raha toy izao daholo ny fihetsika ataon’ireo heverina ho mpanam-bola sy mahitahita  ao amin’ity tananan’i Toamasina ity dia toa tsy hisy mpiaro intsony ireo madinika manana  olana. Maniry ny handraisan’ny tompon’andraikitra mahefa andraikitra amin’ity  karana mpanambola ity sy ny zanany izay mampihorohoro sy mirehareha amin’ny vahoakan’i Toamasina ireo mpitaraina avy amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara ao Salazamay izay miahiahy fa  tena manana lamosina mpiaro sy mpanohana azy tokoa izy ireo  ka ny vahoakan'i Toamasina no mizaka ny tsy eran'ny aina.

Ntsoavina Evariste

 

                                                                                                                                     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT