Fampianarana

LTP Alarobia ≠ LTP GCM Mahamasina Ady sipa niitatra tamina vono sy fanafihana…


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Nirohotra nivoaka ny sekoly LTP (Lycée Techique et Professionnel) Alarobia ireo mpianatra ao amin’ity Lisea teknika ity omaly talata 30 novambra 2021 tokony ho tamin’ny 9ora maraina,

 ary nikasa hihazo ny Sekoly “Lycée Technique et Professionnel de Génie Civil” na LTPGSM Mahamasina hanafika ireo mpianatra teny an-toerana. Nisy mantsy ny disadisa teo amin’ny mpianatra avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ny faran’ny herinandro teo. Resaka ady vehivavy ny alakamisy teo no voalaza fa niantombohany satria nokotian’ny mpianatra avy ao Alarobia ny vehivavy avy amin’ny LTPGCM, raha ny ambangovangon’ny fanazavana. Voalaza fa nisy fifampikasihan-tànana ka voa ny mpianatra avy eny Mahamasina. Niparitaka anefa omaly ny horonantsary naneho ny vono sy daroka nahazo ny mpianatra avy amin’ny LTP Alarobia novonoin’ireo mpianatra avy amin’ny LTPGCM rehefa sendra nivoaka hitan-dry zareo teny an-dàlana. Nalefan’ireo mpianatra avy etsy Mahamasina tao amin’ny Vondrona Facebook an’ny LTP Alarobia hoe: izao no hanaovanay ny naman’ialahy isany. Voalaza anefa, fa mpianatra tsy manan-tsiny tsy nahalala na inona na inona momba ilay toe-javatra teo aloha no novonoin’ireo mpianatry ny LTPGCM, naboridana sy nolakoina. Henjana ny vono sy daroka, misy efa mandohalika sy mifona saindy mipetaka eny amin’ny faritry ny tarehy sy ny loha ny daka, raha ny hita tamin’ilay horonan-tsary. Narahina teny ratsy sy ompa, ary na nisy aza ny niantsoantso hoe: tsy izy io, dia mbola nitohy ny vono,… Nampitroatra ireto mpianatry ny LTP Alarobia ireto ny fisian’ny horonan-tsary naneho ny famonoan’ireo voalaza fa mpianatry ny LTPGCM Mahamasina ny naman’izy ireo, ka tsy tana izy ireo vao nivoaka tamin’ny fialan-tsasatra ny maraina tamin’ny 9 ora, fa nirohotra, ka ny ny nampandre ny polisy sisa azon’ny mpitantana ny sekoly natao. Nosakanan’ny mpitandro filaminana teo Antanimena anefa ireto mpianatra ireto, ka nitodi-doha niverina teny Alarobia. Nisy mihitsy ny fahatapahan’ny fifamoivoizana teo amin’ny “Rond point” Antanimena. Rakotra mpitandro filaminana ihany koa teny amin’ny LTPGCM Mahamasina hisorohana ny mety ho fifandonana sy fanafihana. Voatery naato ny fampianarana ao amin’ity Lisea teknika etsy Mahamasina ity ho an’ny omaly hariva, mitohy androany maraina, ary tsy mbola fantatra mazava ny hiverenan’ny fampianarana, saingy tsy haharitra ny fiatoana mandra-pahatonian’ny raharaha sy handaminana azy. Heverina fa efa mandeha ny fanadihadiana eo anatrehan’ity toe-javatra izay nisehoana herisetra sy fikorontanana goavana ity, nateraky ny adin’ny tanora ity.


Nanambara moa omaly ireo tompon’andraikitry ny sekoly fa vaovao tsy marina ilay horonantsary niparitaka ka tokony hitandrina ihany rehefa mijery zavatra ao anaty tambazotra sosialy .
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT