LTP Alaboria sy LTP Toliara

Hiroso amin’ny fanofanana


  • Alarobia 24 Jona 2026

angovo amin’ny herin’ny masoandro

Natao omaly 23 Jona 2026 tao amin’ny LTP Alarobia sy LTP Toliara ny varavarana misokatra momba ny fiofanana teknisianina amin’ny rafitra angovo azo avy amin’ny masoandro (TSSPV). Ity hetsika ity dia mampifandray ny fianarana ara-teorika sy ny fampiharana eny anivon’ny orinasa, ho fanamafisana ny fahaiza-manao ilaina amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Nampahafantarana tamin’izany ny fisokafan’ny fisoratana anarana ho an’ny andiany fahatelo izay hanomboka amin’ny Oktobra 2026. Manamarika ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny fanofanana tanora amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina ny hetsika, miaraka amin’ny famatsiam-bola sy fanohanana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, ny Masoivohon’i Allemagne,… Eo ihany koa ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka hafa toy ny IECD Madagascar, GIZ,. Tanora 20 avy no hisitraka ny fiofanana amin’ireo lisea teknika roa ireo, amin’ny alalan’ny fifaninana, hahafahana mandinika ny fahaiza-manaony sy ny fahavitrihany. Nentanina ny tanora handray anjara sy hanararaotra ny fiofanana, satria mbola marefo ny firenena amin’ny sehatry ny angovo nefa manana tanora mavitrika tokony hanana ny hoaviny amin’io sehatra io. Nisy ihany koa ny fanentanana ny orinasa mba hifanome tanana amin’ny fanofanana. Araka ny fanazavan’Atoa Tsiharamba, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa : « azo antoka fa hahazo fahaiza-manao ireo tanora aorian’ny fiofanana mba hiatrehana ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara ». Ezahana hivelatra amin’ny faritra samihafa ny tetikasa, ka nanentanan’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ny tanora any ambanivohitra mba handray anjara. Anatin’ny drafitra stratejika efa natolotry ny Minisitra ny fitsinjovana ny any ambanivohitra amin’ny fanatonan’ny Minisitera sy ny Ivon-toeram-panofanana makany ifotony amin’ny fanomezana fahaiza-manao ireo tanora any ambanivohitra, hoy hatrany Atoa Tsirahamba Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT