Fampianarana

Lozam-pifamoivoizana teny Antsahabe Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay mpamily


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Taorian'ny lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Antsahabe ny sabotsy hariva lasa teo izay naharatrana olona roa sy namoizana ain’olona roaizay tovolahy sy tovovavy

 

 

 

vao herotrerony nataona fiara peugeot 301 iray dia natolotra ny fitsarana ny alatsinainy 16 jona teo ilay mpamily nahavanon-doza. Fantatra taorian’ny didy navoakan’ny Fitsarana fa nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy ary eo am-panefana ny saziny ankehitriny. Tsiahivina moa fa efatra ireo olona ireo no niara-dalana, ka vehivavy ny roa raha lehilahy ny roa ambiny. Nofaohana fiara avy any aoriana anefa izy ireo ka maty avy hatrany roa raha vantany vao tonga tany amin’ny hopitaly. Nanaraka ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly kosa ny roa ary fantatra fa tsy misy ahiana intsony ny ainy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT