Fampianarana

LMA Ampefiloha Nisy mpiadina teknika diso lalana tonga tao an-toerana


  • Talata 20 Oktobra 2020

Mpiadina hiatrika ny fanadinana Bakalôrea teknika vitsivitsy diso toerana no tonga tao amin’ny foibem-panadinana LMA Ampefiloha omaly maraina.

 

 

Amin’ny ankapobeny anefa dia amin’ny herinandro ambony vao handray ireo mpianatra hiatrika ny baka teknika andiany faharoa ity lisea iray ity raha mbola ireo mpiadina miatrika ny fanadinana Bakalorea ankapobeny miisa 1.647 no noraisina tao an-toerana nanomboka omaly. Na izany aza dia efa naterina any amin’ny toerana tokony hisy azy ireo mpiadina diso lalana ireo. Nilamina ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea andro voalohany omaly ho an’ity lisea iray ity. Voahaja tsara ny elanelana 1 metatra hiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19. Nozaraina aron-tava daholo ihany koa ny mpiadina rehetra teo am-pidirana ankoatra ny fampiasana ny gel desinfectant. Nametraka efitrano roa mahazaka mpiadina 20 isa ihany koa izy ireo hametrahana ireo mpiadina raha satria misy marary na manana maripana avo sy ambony. Na izany aza anefa tsy nisy izany tamin’ny andro voalohany omaly izay niatrehan’ireo mpiadina ny taranja filozofia sy ny langue vivante. Ny taranja kajy indray no hatrehin’izy ireo anio maraina izay hitohy amin’ny taranja Malagasy rehefa folakandro. Tsiahivina moa fa anisan’ny foibem-panadinana notsidihin’ny Ministry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika ity lisea iray ity omaly.

Pati

Legende : Mbola voahaja hatrany ilay elanelana 1 metatra ho an’ny mpiadina hatreo

 Sary fanehoana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT