LISEA SAINT MICHEL ITAOSY

Nakatona, amin’ny herinandro vao mianatra ny mpianatra


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Amin’ny Alatsinainy 07 Oktobra ho avy izao vao miverina mianatra avokoa ireo mpianatra

ao amin’ny Lisea Saint Michel Itaosy, distrikan’Atsimondrano. Nivoitra izany nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Fiteleavam-paritry ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ity sekoly ity omaly Alakamisy 03 Oktobra taorian’ilay trangan’aretina hafahafa nitarika fahatoranana ho an’ireo ireo ankizy mpianatra 15 isa tao an-toerana. Raha araka ny fanazavan-dRakotonirina Solofoniaina, tompon’andraikitry ny sekoly dia ankizy tao amin’ny kilasy fahafolo ireo voa ireo. Teo am-panaovana ny taranja ara-panatanjahantena izy ireo no lasibatra afak’omaly Alarobia 02 Okotobra tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Niitatra ho 15 ny isan’izy ireo antony nampiparitaka ny feo sy nanaitra ireo mpianatra hafa ka nahatonga ny tompon’andraikitry ny sekoly nandefa azy ireo nody. Ny 03 tamin’izy 15 ireo moa no fantatra fa nalefa teny anivon’ny CSB II Itaosy saingy tsy nanambara izay tena aretina nahazo azy ireo marina ny tompon’andraikitra. Nambaran’ity tompon’andraikitry ny sekoly ity moa fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka mikasika iny tranga hafahafa iny ny sekoly hatramin’ny omaly. Miisa 1500 kosa ireo mpianatra manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly katolika Saint Michel Itaosy amin’izao.
Pati
Legende : Mangina tanteraka tahaka izao ny eto amin’ny Lisea Saint Michel Itaosy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT