LISEA EDENAH AMBOHIMANARINA

30 taona nanabeazana zana-bahoaka


  • Talata 26 Martsa 2024

30 taona nanabeazana zana-bahoaka teny Ambohimanarina sahady ny lisea tsy miankina Edenah.

Tsy handalo fotsiny izany fotoan-dehibe izany ho azy ireo. Vavaka lehibe nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra noho ny fitantanany no nisantarana izany ny faran’ny herinandro teo, hetsika notanterahina tao amin’ny FJKM Antanety Fitahiana. Narahina filaharambe namakivaky ny tanana notanterahin’ny mpianatra. Raha araka ny fantatra dia mbola ivon’ny fankalazana ihany io notontosaina io. Mbola hitohy amin’ny fitsangatsangana iraisana sy ny fijerena ireo mahasoa ny mpianatra mantsy izany amin’ny volana Aprily ho avy io. Anisan’ireny ny fanatsarana ny fitaovana hampiasaina ao an-tsekoly, ny kalitaon’ny fampianarana mba hiakatra hatrany ny voka-panadinana…Tsiahivina moa fa marobe ireo olona manana ny maha-izy azy efa navoakan’ity sekoly tsy miankina iray eny Ambohimanarina ity izay mbola ezahin’ireo tompon’andraikitra hotohizana.
Pati
Legende : Nameno fiangonana tahaka izao ny mpianatra nisaotra an’Andriamanitra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT