Fampianarana

LISEA ARCADE Hanokatra oniversite lehibe


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Ela ny ela fa tonga amin’ny tanjona niriany hanampy ireo tanora Malagasy hiakatra eny amin’ny anjerimanontolo ny lisea Arcade, tarihin-dRatoejanahary Bruno.

Hanokatra oniversite manara-penitra izy ireo manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2019-2020 ity ka etsy Andravoahangy ambony no ahitana izany. Amin’ny volana novambra no hanomboka handray mpianatra ny sekoly, ahitana lalam-piofanana miisa dimy. Anisan’ireny ny gestion économie, ny langue étrangere appliquée, ny journalisme communication, ny informatika ary ny agronomie. Raha araka ny fanazavan-dRatoejanahary Bruno dia efa ara-dalàna avokoa ny taratasy ara-panjakana hahafahan’izy ireo misokatra tohanan’ireo mpampianatra voky traikefa sy manana ny maha izy azy. Karazana mari-pahaizana telo kosa  no hatolotr’izy ireo ny mpianatra aorian’ny fahavitan’ny fianarana dia ny licence sy ny master ary ny doctorat izay takian’ny rafitra LMD.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT