Fampianarana

Lisea Andohalo Nilamina ny disadisa, niala ilay mpianatra very finday…


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Niravona omaly ny raharaha fahaverezana finday avo lenta I-Phone 11 tetsy amin’ny Lisea Andohalo, ary miverina amin’ny laoniny fampianarana.

Raha hiverenana, tany amin’ny taranja fanatanjahantena na EPS no voalaza fa very ny findain’ny tovovavikely iray. Andro talata ny EPS, ary efa ny alakamisy vao nolazaina fa very, ary ny zoma kosa no tonga ny fampanantsoana ny mpampianatra sy mpianatra 3 vavy nosarangotina ho nangalatra izanyy. Tsy mitombina mihitsy ny hoe: tany ny very, hoy ireo mpianatra. Niray hina kosa ireo mpampianatra, nitokona niverina niasa raha tsy mifona ampahibemaso ireo Ray aman-dreny, ary mitaky fiakarana fitsipi-pifehezana an’ilay mpianatra. Nisy tokoa ny fampiakarana filankevi-pifehezana omaly, izay voalaza fa naharitra ora dimy sy sasany ny fihainoana ireo rehetra voakasika. Taorian’izay, re fa nisafidy ny tsy hanohy fianarana ao intsony ilay tovavikely very finday. Niaraka taminy ny rainy, ary nisintona ny fitoriana ireo mpianatra miisa 3 sy ilay mpianatra. Niravona ny disadisa, nisy ny fifanazavan-kevitra teo amin’ny roa tonta. Tsy misy atahorana intsony, fa efa milamina. Tsy nisy ny fepetra noraisina, ary tsy noroahina ilay mpianatra fa anjaran’izy ireo no nisafidy, raha ny voalazan’ny sekoly. Tranga tokony hakana lesona ny tahaka izao indrindra ho an’ny Ray aman-dReny mba tsy hampitondra zavatra lafo vidy ny mpianatra izay tsy azo atao, ary mety hanome fakam-panahy ny hafa na sanatria hampidi-kizo ny tsy manan-tsiny, raha sanatria very.
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT