Fampianarana

LISEA ANALAVORY Nosoloina ny provizera


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Nivaha tanteraka ny olana eo anivon’ny Lisea Analavory. Taorian’ny fitokonana notanterahin’ireo mpampianatra sy mpianatra ao amin’ity lisea iray ity, herinandro mahery lasa izay dia nalan’ny tompon’andraikitra tamin’ny toerany ilay provizera tao an-toerana ka ny lefiny no nakarina handray ny asany.

 

 

 

 Niverina nianatra avokoa ireo mpianatra ny herinandro lasa teo.  Mbola hetahetan’izy ireo hatrany ny tokony  hanohizana ireo hetsika fitadiavam-bola  sahaniny hahafahana manitatra ny fotodrafitrasan’ny sekoly. Anisan’ireny ny fananganana kianja filalaovam-baolina hahafahan’ireo mpianatra manao fanatanjahantena am-pilaminana. Toraka izany koa ny fanitarana ny sekoly  hahafahana manampy ireo ray aman-dreny maniry ny mbola hampiana-janaka eo anivon’ity lisea iray ity. Mbola tokana ihany mantsy hatreto ny lisea ao Analavory nefa an’arivony ireo zana-bahoaka tokony hanovo fahalalana ao aminy. Miantso ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo mba hifanome tanana aminy.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT