Fampianarana

Laza adina bakalorea Tsy misy atahorana fa voaaro tsara


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Telo andro anio zoma no natoka-monina ireo mpampianatra nandrafitra ny laza adina Bakalôrea ankapobeny sy teknika izay hotontosaina eto amintsika manomboka ny 17 septambra ho avy izao.

Haharitra 40 andro ny fitokanana, fotoana izay tsy hahafahan’ireo mpampianatra ireo mifanerasera na amin’iza na amin’iza raha tsy vita ny asa nampanaovina azy. Tsy misy atahorana ny mety hivoahan’ny laza adina mialoha, hoy ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony, Rasoazananera Monique. Tsy miova ihany koa ny daty hanatanterahana ny fanadinana fa mbola voatazona ihany ny teo aloha.  Ny 17-21 septambra no hanatanterahana ny Bakalôrea ankapobeny sy ny tapany voalohany amin’ny Bakalorea teknika. Hitohy ny 24-27 septambra kosa, ho an’ny tapany faharoa ho an’ity farany. Ny 27 aogositra ka hatramin’ny 7 septambra ho avy izao kosa no hanaovana ny adina ara-panatanjahantena ho an’ireo mpiadina eto an-drenivohitra. Raha ny fantatra, mahatratra 184.708 ireo mpiadina hiatrika izany manerana ny Nosy izay nitombo 0,98 % raha oharina tamin’ny taon-dasa.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT