LAZA ADINA BAKALOREA MISY MIVAROTRA

Fitadiavam-bola miaro fisolokiana, hoy ny polisim-pirenena


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Misy milaza ho mahita laza adina Bakalorea sahady ary mivarotra izany ao anaty

tambajotran-tserasera Facebook ireo olona efa havanana amin’ izany. Voakasik’izany manokana ny tany Antsiranana izay nanaovan’ny polisim-pirenena fanadihadiana ka fantatra fa misy hifandraisany amin’ny tambajotran-tsosialy misy eto Antananarivo ireo manao izany any an-toerana. Fantatra ihany koa fa fitadiavam-bola miaro fisolokiana no hataon’ireo olona ireo. Nanamafy mantsy ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony hoy ny vaovao fa tsy mbola nisy laza adina Bakalorea nivoaka izany mihitsy raha tsy amin’ny androm-panadinana. Mampitandrina ireo izay mbola minia misisika sy mikiry manakorontana saim-bahoaka araka izany ny mpitandro ny filaminana. Nambaran’izy ireo ihany koa fa ho hentitra ny fanaraha-maso ny laza adina mialoha sy mandritra ny fanadinana raha toraka izay ihany koa ireo taratasim-panadinan’ny mpiadina. Ho voakasika ao anatin’izany avokoa ireo foibem-panadinana miisa 413 manerana ny Nosy. Mikasika ny mety ho fahatapahan-jiro kosa dia nanamafy ny teo anivon’ny Ministeran’ny angovo fa efa misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’izy ireo sy ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony mba hahafahan’ny mpiadina miatrika amim-pitoniana ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Hanomboka ny Alatsinainy 22 Jolay ho avy izao moa ity fanadinam-panjakana iray ity manerana ny tanin’ny Repoblika ka ny taranja filozofia no hisantarana izany.
Pati
Legende : Mampanantena Bakalorea tsy misy tomika ny Fitondram-panjakana amin’ity taona 2024 ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT