Kolikoly an-tapitrisany maro

PRMP iray tao amin’ny DREN Menabe nidoboka am-ponja


  • Zoma 06 Septambra 2024

Sarona ny aferana kolikoly miaro fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka tamin’ny

tsenambaro-panjakana tao amin’ny Fitalevam-paritry ny fanabeazam-pirenena na DREN Menabe. Raharaha fividianana solosaina mitentina 4 720 000Ar ho an’ny DREN no nisy ahiahy, ka nisiana fitorohana nataon’olona tsy nitonona anarana, nitarika ny fanokafan’ny Rantsan’ny Bianco Morondava fanadihadiana. Nivoitra tao anatin’ny fitsirihana lalin’ny Bianco, fa efa tany amin’ny 7 jona 2022 no vita ny pitsopitsopitsony azy ity, ary ny 30 jona 2022 no tomombana tanteraka tamin’ny alalan’ny fankatoavana sy fanasoniavan’ny Tompon’andraikitry miantsoroka ny tsenambaro-panjakana na PRMP, kinanjo zavatra tsy tena nisy akory na « fictif ». Tsy nisy akory ireo fitaovana ara-informatika tonga tamin’ny tompon’andraikitra miantsoroka izany hatramin’ny datin’ny 15 aprily 2024 naharaisana ny fitorohana, raha ny tatitry ny Bianco. Tsy azo antoka ny fitanana an-tsoratra milaza ny efa nandraisana ny fitaovana, ary nosandohan’ilay PRMP ny sonian’ireo kaomisionina nambara fa nandray ny entana. Olona 3 no voasaringotra tao anatin’ity raharaha ity dia ny PRMP sy ireo olona 2 voarohirohy niaraka taminy dia ny tompon’andraikitry ny UGMP (Unité de Gestion des Marchés Publics) eo anivon’ny DREN niampy mpamatsy na Fournisseur iray. Taorian’ny fiakarany fampanovana ny 28 aogositra 2024 lasa teo, nidoboka am-ponja vonjimaika ilay PRMP, ary napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana kosa ireo olona roa hafa voasaringotra niaraka taminy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT