Fampianarana

Kolejy La Lumière Talatamaty Nitokona teny Analakely ny ray aman-drenin’ny mpianatra


  • Alarobia 04 Oktobra 2017

Nanatontosa fitokonana manoloana ny biraon’ny ofisim-pirenena misahana ny sekoly tsy miankina etsy Analakely ( ONEP) omaly,

 ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nanovo fahalalana teo anivon’ny Collège La Lumière teo aloha, eny Talatamaty. Raha araka ny fitarainan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mantsy dia tsy mbola navoakan’ny ONEP ihany ny taratasy fahazoan-dalana hahafahan’ny sekoly « International Academy Madagascar »  hampianatra, sekoly  izay nisolo ny College La Lumière efa nakaton’ny fanjakana. Tsy misy hidiran’ireo teratany Tiorka intsony ity sekoly vaovao ity, hoy hatrany izy ireo, satria efa teratany Frantsay ankehitriny no mitantana azy, amin’ny alalan’ny Horizon éducation France izay nividy azy. Nanambara ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa tsy misy afaka hianatra ireo menaky ny ainy, raha tsy azo avy amin’ny ONEP io taratasy fahazoan-dalana io. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa efa nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, saingy ny ONEP sisa no hany vato misakana. Efa tokony ho tamin’ny 18 septambra teo no niditra nianatra ireo mpianatra miisa 280 manovo fahalalana eo anivon’ity sekoly « International Academy Madagascar » ity, saingy mbola izao miandry ny taratasy fahazoan-dalana izao. Nisy moa ny fandraisan’ny talen’ny ONEP azy ireo omaly koa andrasana izay mety mbola ho tohin’ny raharaha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT