Fampianarana

Kojakoja fanamboaran-trano Azo eritreretina tsara ny mora kanefa tsara kalitao


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Tsy mitsaha-mivoatra ny fikarohana momba ireo kojakoja fanamboaran-trano eto amintsika. Olana goavana tokoa mantsy ankehitriny ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny fiparitahan’ny loto sy ny fahalanian’ny tanimanga

amin’ny fanamboarana biriky, antony tsy maintsy hikarohana vahaolana maharitra sady mahomby. Nametraka fanamby mifandraika amin’izany ireo tanora mpikaroka Malagasy manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ambony ISPM etsy Antsobolo. Taorian’ilay biriky vita amin’ny taratasy azo hanamboaran-trano dia efa navadik’izy ireo ho béton ihany koa amin’izao ny tranona tekateka sy ny akorandriana izay hariana sy haparitaka eny rehetra eny fotsiny. Toraka izany ireo tavoahangy plastika sy ny fasika izay azo hakambana ary haodina ho rarivato azo hatao lalana tsara nefa amin’ny vidiny mirary no sady mafy. Teny amin’ny Salon de l’habitat andiany faha-24 notanterahina tetsy amin’ny zone Forello Tanjombato nanomboka omaly no nampahafantaran-dRaboanary Tantely, talen’ny serasera eo anivon’ny sekoly ambony ISPM ireo voka-pikarohana telo sosona ireo. Fanamby goavana hapetrak’izy ireo araka izany ny hamokatra biriky, parpaing vita amin’ny béton, ny rarivato azo hampiasaina avy hatrany amin’ny vidiny morary, no sady zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra. Ny mba hananan’ny tsirairay trano fonenany amin’ny vidiny morary nefa mora ny kojakoja nanamboarana azy no tanjona, vokatra izay ho tonga eny am-pelatanan’ny mpanjifa tsy ho ela.
Pati
Legende : Tantely Raboanary, talen’ny serasera eo anivon’ny sekoly ambony ISPM Antsobolo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT