Fampianarana

Karaman’ny mpampianatra FRAM Ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena no handoa azy


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Tsy misy mandoa sara-pisoratana anarana intsony ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ireo sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao ity.

 

 

 Betsaka ireo velom-panahiana noho izany mikasika ireo mpampianatra FRAM izay mbola karamain’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’ny alalan’ireny vola alohany ireny avokoa ny ankamaroany ka sao hiteraka olana. Nambaran’Atoa Aina Nambinintsoa Ratsimandresy, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any Ankazobe fa efa misy ny paikady novolavolain’ny ministera hijerena manokana ireny mpampianatra FRAM ireny. Ity ministera ity no handray an-tanana ny momba azy ireny mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Tsiahivina moa fa tsara ny voka-panadinana BECP ho an’ity fari-piadidiam-pampianarana iray ity. Tafakatra 58,28 % izany raha 51,13 % tamin’ny taon-dasa. Ny taranja kajy raha araka ny fanazavan’ity lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any Ankazobe ity no nahalatsaka kely ny naotin’ny mpiadina saingy na izany aza saika avotr’izy ireo tany amin’ny taranja literera avokoa izany rehetra izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT