Fampianarana

Kaongresin’ny mpianatra isam-paritra Hangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena


  • Talata 14 Septambra 2021

Nanomboka omaly ary hifarana anio etsy Ankatso ny kaongresin’ireo mpianatra mpikaroka amin’ny faritany miisa 6 eto Madagasikara.

Ireo solontenan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatry ny oniversitem-panjakana rehetra no mandray anjara ao anatin’izany, hoy hatrany ny fanazavana. Miondrika am-panajana manoloana ireo namanay maty noho ny fitakian-jo tety amin’ny ambaratonga ambony hatramin’izay, hoy izy ireo. Natao izao fikaonan-doha izao manoloana ny olana miverimberina amin’ny oniversitem-panjakana eto Madagasikara sy ny fisedrana ara-kasa lalovan’ny tanora Malagasy. Isan’ny dinihina mandritr’izany ny tsy fampandehanana ny fianarana araka ny tokony ho izy izay indraindray mihoatra ny 9 volana ny famitana taom-pianarana, ny kalitaon’ny fampianarana, ny tsy fahampian’ny mpampianatra, ny tsy fitovian’ny tetiandrom-pampianarana, ny tsy fitovian’ny saram-pisoratana anarana sy hofan-trano eny amin’ny “cité U”, ny tsy fahampiana sy tsy fisiana aterineto be fisosa, ny olana eo amin’ny fampiharana ny rafitra LMD sy ny fankatoavana diplaoma ary ny resaka fifindrana na “passerelles”. Tsy mipetraka ny politika nasionaly ho an’ny fikarohana eto Madagasikara. Eo koa ny tsy fahampiana sy fahanteran’ny fotodrafitrasa toy ny efitrano fianarana, famakiam-boky, laboratoara, efitrano fampiharana, sy ny maro hafa. Tsy mifanaraka amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana intsony ny fampitaovana sy vatsim-pianarana izay ny taona 2014 no zara raha nisy fiakarana farany. Tsy ara-potoana ny fahatongavany. Eo koa ny olana amin’ny fanatanterahana ny “digitalisation”. Tsy mifanaraka amin’ny tolotr’asa ny fampianarana. Tsy mipetraka ny politika fampananan’asa eto Madagasikara. Eo ny tsy fanomezan-kasina ny avaram-pianarana nandranto fianarana teto Madagasikara. Eo ny fanitsakitsahana ny fiandrianan’ny oniversite na “Franchise universitaire”, ny famonjana sy famonoana an-kitsirano mpianatra, ny fandemen-tsaina sy fanaovana antsojay, fandotoana ny hetsiky ny mpianatra amin’ny adilahy politika. Tsy maintsy hangataka fihaonana eo amin’ny tomponandraikitra mahefa, indrindra, ny filoham-pirenena izahay aorian’izao kaongresy izao, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT