Fampianarana

Kaominin’i Talatamaty Entanina ho lasa siantifika ireo tovovavy mpianatra


  • Zoma 08 Aprily 2022

Ny 30%-n’ny tovovavy eto amintsika no nisafidy ny taranja siantifika tamin’ny taona 2020 raha araka ny fantatra.

 Tokony hampitomboina hatrany izany mba hisy fiantraikany amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny mihitsy indrindra fa fiainan-tokantrano. Rehefa ny vehivavy mantsy no siantifika raha araka ny fanazavan-dRamarolahy Mamisoa, mpampianatra eo anivon’ny lisea Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo dia hainy ho azy ny mandamina ny fiainany. Vitany ohatra ny manodika ireny tavoahangy plastika ireny ho lasa fitaovana azo hampiasaina indray fa tsy voatery hilalao formule foana. Vitany ihany koa ny mamadika ny fako ho lasa harina handrahoan-tsakafo na koa zezika izay hitondra zavatra mahasoa hafa indray hampihenana ny fandaniana ao an-trano. Hain’ny vehivavy siantifika ihany koa ny mandanjalanja ny sakafo omeny ny ankohonany ka anisan’ireny ireo feno hery fiarovana….Antony nanaovana fanentanana ireo ankizy mpianatra ao amin’ny kilasy faha-10 eo anivon’ny lisea Talatamaty izany omaly, natrehin’ny Ben’ny tanana Randrianoasy Elie Dominique sy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana eny amin’iny faritra iny. Nomarihina omaly rahateo ny andro siantifika. Nahaliana ny mpianatra ny fanentanana tamin’ny ankapobeny. Niarahana tamin’ny UNESCO rahateo izany. Marihina moa fa miisa 600 ny mpianatra eo anivon’ity lisea iray ity ka ny 30%-n’ireo dia ao amin’ny kilasy faha-10 avokoa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT