KAOMININA ANOSY AVARATRA

Hiantohana ny fitaterana ireo mpiadina hiatrika Bakalorea


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

Hiantohana avokoa ny fiara hitaterana ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana

Bakalorea ho an'ny Kaominina Anosy Avaratra. Hiainga isam-pokontany ny fiara manomboka anio maraina hipaka hatrany amin'ny foibem-panadinana mba hananan'ny mpiadina fitoniana tsy ho tara amin'ny fitohanana. Toraka izany koa ny fanamaivanana ny fahasahiranan'ny Ray aman-dReny amin'ny fanaterana sy fandoavana saram-pianarana. Nivoitra izany nandritra ny fitsofan-drano notanterahin'ny Ben'ny tanana Rakotondralala Marino azy ireo afak'omaly Sabotsy 19 Jolay. Nifarana tamin'io andro io ihany koa raha tsiahivina ny cours maimaim-poana nomen'ny kaominina azy ireo. Taorian'ny tso-drano dia notolorana ody ambavafo ny mpiadina rehetra. Nomena fankasitrahana manokana ihany koa ny mpampianatra niara-niasa tamin'ny kaominina nanatanteraka izany. Tsiahivina moa fa niakatra 66% ny taham-pahafaham-panadinana BEPC tamin'ity taona ity ho an'ny Kaominina Anosy Avaratra raha 94% kosa ny CEPE.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ody ambavafo ho an' ireo mpiadina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT