KAOMININA AMPITATAFIKA

Notolorana sakafo masaka avokoa ny mpanala CEPE


  • Alarobia 19 Jona 2024

Misy amin’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly no tsy nihinana

afa-tsy tapa-mofo kely sy rano noho ny fahasahiranana. Tranga tsy vao omaly ihany io fa matetika isan-taona mihitsy, antony nanosika ny Ben’ny tananan’ny kaominina Ampitatafika Rado Ramparaoelina hampiditra ny fampisakafoanana mpiadina manala CEPE ao anatin’ny teti-bolan’ny kaominina tohanan’ireo mpiara-miombon’antoka. Omaly Talata 18 Jona ohatra dia mpiadina miisa1505 niadina tao amin’ny CEG Fihavanana sy Lisea Ampitatafika Rado Ramparaoelina samy ao anatin’ny Fokontanin’i Faliarivo no notolorany sakafo atoandro masaka niaraka tamin’ny yaourt sy bisikoitra. Niparitaka tamina efitranom-panadinana miisa 28 izy ireo ka ny 4 tao amin’ny lisea raha tao amin’ny CEG avokoa ny 24 ambiny. Nanohana ny kaominina tamin’ity taona ity ny Fondation HV sy ireo mpiara-miombon’antoka hafa. Hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona moa izy ity. Tanjona amin’izany moa ny mba hahafahana manampy ireo fianakaviana sahirana sy hitovian’ny sakafo hohanin’ny mpiadina rehetra. Tsy latsa-danja amin’izany ny mba hahafahana manatsara hatrany ny voka-panadinana ho an’ny ZAP ao Ampitatafika.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina nizara sakafo sy yaourt !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT