Fampianarana

Kaominina Ampitatafika Mpianatra 4 notolorana 1 tapitrisa Ar avy


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Tontosan’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina an-tsakany sy an-davany ny fanamby napetrany ny amin’ny hanampiana ireo mpianatra mendrika indrindra tamin’ny fanadinana Bakalôrea farany teo,

teo anivon’ny liseam-panjakana Ampitatafika. Efatra mianadahy ireo nahazo izany avy ao amin’ny sokajy A1, A2, C ary D. Notolorana vola 1 tapitrisa Ar avy izy ireo hahafahany  manohy ny fianarany, vola avy amin’ny kaominina madiodio, nahazoana fankatoavana avy amin’ny mpanolotsain’ny tanàna. Notanterahina omaly ihany koa ny fandraisana ireo fitaovana hampiasain’ny kaominina toy ny bisikileta sy ny borety entina hanatevenana ny asa fanadiovan-tanàna, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Nomarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina fa efa vonona tanteraka izy ireo amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra. Olona miisa 102 no efa nampiasaina nandritra ny iray volana latsaka nanadio ny tata-drano eo amin’ny tetezana hatrany Malaza, hoy izy,  nokaramaina 8.000 Ar isan’andro. Niasa  nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora folakandro izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT