KAOMININA ALAROBIA AMBATOMANGA

Ny 20%-n’ny ankizy no tsy afa-mianatra intsony fa sahirana


  • Zoma 25 Aprily 2025

Tsy mahavita mampiana-janaka intsony ny ankamaroan’ny mponina ao Alarobia Ambatomanga,

raha araka ny vaovao voaray. Ny 20%-n’ny mpianatra raha kely no tsy afaka mandia ny varavaran-tsekoly intsony vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny nanomboka tamin’ny taona 2024 teo, raha araka ny vaovao. Tena mangidy ny fitadiavam-bola ao amin’ity kaominina ity hoy hatrany ny vaovao. Tsy misy ny asa fivelomana nefa ireo tanora vao misondrotra ihany koa tsy mitsaha-mitombo hany ka miahoaho fotsiny ao an-tanana. Manampy trotraka izany ny ahiahian’ny mponina ny amin’ny mety ho fahatapahan’ny lalana ao Anjeva miazo ity kaominina iray ity izay mety hampikatso tanteraka ny asa fiveloman’ny mponina any an-toerana. Fantatra moa fa efa tongan’ny jiolahy ity tanana ity ankehitriny raha faran’izay nilamina teo aloha. Manao ny hataony ny vaky fasana izay ahian’ny mponina hiitatra amin-javatra maro loha. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ny mponina mba hijery akaiky ny ao Alarobia Ambatomanga, indrindra ny sehatry ny fampianaran-janaka izay tena ho avin’ny firenena.
Pati
Legende : Mihena hatrany ireo zaza tafiditra an-dakilasy ao Alarobia Ambatomanga !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT