Fampianarana

JOYCE ESC


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Sekoly ambony manofana ho mpianatra hahay informatika sy ny infographie



Etsy 67 ha Avaratra Andrefana  no misy ny sekoly ambony Joyce ESC ( Ecole  des Sciences Commerciales et Informatiques). Manomana ny diplôme professionnel en infographie izy io, manana sokajy na catégorie 3 eo anivon’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana. Na izany aza dia afaka mandray ireo mpianatra tsy mbola manana ny mari-pahaizana Bakalôrea koa ny sekoly. Manome ny mari-pahaizana diplôme  professionnel en électronique sy informatique  ihany koa  izy ireo, ka ny tanjona dia ny hahaizan’ny mpianatra ny elektronika sy ny informatika mitambatra. Afaka manamboatra sy mikarakara avy hatrany ireo kojakojan-tokantrano simba ireo mpianatra mivoaka avy ao amin’ny Joyce ESC, aorian’izay, toy ny televiziona, ny radio… Iantohan’ny sekoly moa ny fianarana asa eo anivon’ny Joyce ESC. Amin’ny volana desambra kosa no manomboka ny fampianarana. Mampianatra ireo tsara ho fantatra momba ny infôrmatika rehetra toy ny PAO,  ny bureautique, ny maintenance, ny programmation sy ny web ihany koa izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT