Fampianarana

IT University Notsidihan’ny minisitry ny fifandraisan-davitra


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Taorian’ireo oniversitem-panjakana maro any amin’ny faritra dia ny IT University etsy Andoharanofotsy indray, sekoly ambony tsy miankina iray mampianatra ny lalam-piofanana informatika avo lenta no nosafidian’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra Neypatraiky André Rakotomamonjy notsidihana, omaly.

 Nisy ny dinidinika nifanaovany tamin’ny mpianatra ka nanoroany hevitra ireto farany fa azo ivelomana tsara ny sehatry ny nomerika ankehitriny. Raha manana solosaina iray miampy connexion fotsiny ianao ao an-trano, hoy izy dia efa afaka manao asa hatrany ivelany ho fidiram-bola. Nampirisihiny ny mpianatra nandritra izany mba tsy hijanona hiasa amina orinasa intsony fa hanangana orinasa ho an’ny tenany mihitsy ka hanampy ny manodidina azy.  Notsindriany manokana moa fa baikon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izao nataony izao mba hanampiana ny tanora Malagasy ka anisan’ireny ny mpianatry ny IT University. Mpampianatra ny filohantsika Hery Rajaonarimampianina teo aloha ary tsy mitazona izany fahalalana izany ho azy irery izy fa tiany hiampita amin’ny tanora Malagasy rehetra hahafahana miatrika ny hoavin’ny firenena amim-pitoniana. Fanontaniana maro moa no napetraky ny mpianatry ny IT University ity tamin’ny minisitra nandritra izany izay saika nahazoan’izy ireo valiny mahafa-po avokoa. Nofaranany tamin’ny fanolorana connexion 100 Mo ho an’ireo mpianatr’ity oniversite tsy miankina iray ity izany,  fanomezana haharitra roa taona. Tsiahivina moa fa mandray mpianatra ao amin’ny taona voalohany ka hatramin’ny fahadimy ny IT University ary afaka miasa eto an-toerana sy any ivelany  avy hatrany ireo mpianatra mivoaka ao aminy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT